Niatrika ny fametrahana ny evekan’Antsirabe ny kandidà Ravalomanana Marc. Notanterahina tany an-toerana, omaly, ny sorona Masina amin’ny fandraisana ny Mgr Andriantsoavina Pascal. Anisan’ireo voaasa ity filoha teo aloha ity.
Fandikan-dalàna ny fanalana ny sarin’ny filohan’ny Repoblika, araka ny fampahatsiahivan’ny fiadidiana ny Repoblika.. “Miandry voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC vao azo atao ny fanoloana na fanesorana ireny sary ireny, araka ny fomba amam-panao”, hoy ny Prezidansa.
Mila mifantoka amin’ny fifidianana ny rehetra, araka ny nambaran’ny depiote IRD, Raholdina Naivo, teny Mahamasina, ny herinandro teo. “Tsy mamaky ady na amin’iza na iza izahay, fa misarika ny sain’ny vahoaka hifantoka amin’izany”, hoy izy. Niantso ny rehetra ny tenany mba tsy ho voarebireby. Didy raikitra tsy azo ivalozana ny an’ny HCC, hoy izy.
Toherin’ny antoko Farimbona ny endrika fanakorontanana mahakasika ny fifidianana, araka ny fanambaran’ny birao politika, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Masi-mandidy amin’izay tiany hitondra azy ny vahoaka malagasy. Avela haneho malalaka ny safidiny izy, satria an’ny vahoaka ny fahefana. Ny Ceni sy ny HCC no masi-mandidy amin’ny fifidianana.