Basikety Vehivavy: Niampy ekipa telo ny N1A

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly « N1B, vehivavy » sy ny U20 lehilahy. Tafakatra ho N1A ny Fandrefiala, BTBBA ary ny USJFM. An­koatra ny MB2All Analamanga izay efa manana ekipa N1A, tafakatra ao anatin’izany sokajy izany ihany koa ny Fandrefiala Analamanga, ny BTBBA Diana ary ny USJFM Atsimo Andrefana. Niatrika ny famaranana teo amin’ny « N1B, vehivavy » nanoloana ny Mb2All ny Fandrefiala ka tafapetraka teo amin’ny laharana voalohany rehefa nandresy tamin’ny isa 55 no ho 54. Laharana fahatelo kosa ny ekipan’ny BTBBA, rehefa nandresy ny USJFM tamin’ny isa 42-39.

Tompondaka teo amin’ny Vétérans, ny Fitefa sy ny AJRT

Fifaninanana nasionaly nizotra tao Ambatondrazaka ny herinandro lasa teo ihany koa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, lahy sy vavy. Nivoaka ho mpandresy, nandritra izany, ny ekipan’ny Fitefa Sava, sokajy vehivavy, sy ny AJRT Atsinanana, sokajy lehilahy. Raha hiverenana ny lalao famaranana, niady tanteraka ny fifandonana teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy nampiseho ny fahaizany ny AJRT sy ny At2b. Isa roa monja no nandresen’ny AJRT ny ekipan’ny At2b Anala­manga. Laharana fahatelo teo amin’ny sokajy lehilahy, ny Tafaray Analamanga. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa , nivoaka ho mpandresy mazava, tamin’ny isa 59 no ho 35, ny ekipan’ny Fitefa Sava nanoloana ny ekipan’ny PMBC Analamanga. Laha­rana fahatelo kosa ny SEBC Alaotra Mangoro.

Mi.Raz

Partager sur: