Naratra mafy ilay mpitondra moto voahitsaky ny fiara tsy mifidy lalana teny Mandroseza, omaly maraina. Roa lahy samy nandeha moto no nifanenjika sy nifampisongona. Nampiaiky ny olona rehetra izy roa lahy nifanenjika tamin’ny moto ireto. Nianjera tampoka anefa ny iray ka notetezin’ny fiara avy aoriana. Tsy vitan’izay fa mbola voatarika tao ambany fiara ity tovolahy niharam-boina ity. Torana tsy nahatsiaro tena izy sady naratra mafy. Nihevitra ireo rehetra nahita ny loza fa tsy ho velona intsony ity niharam-boina ity noho ny ratra nahazo azy. Nentina haingana namonjy hopitaly ihany anefa izy. Tsy fantatra kosa na namoy ny ainy izy na tsia, saingy tsy mbola any amin’ny hopitaly izy hatramin’ny omaly hariva. Horakoraka ny an’ireo olona nahita ilay tovolahy notaritin’ilay fiara. Nentin’ny hatairana koa ilay olona nitondra fiara nahita ity niharam-boina tao ambany fiara.
Vao ny faran’ny herinandro teo no nisy ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy vokatry ny fitondrana moto teny amin’ny Digue Andohatapenaka. Vokatry ny fandehanana mafy hatrany no nahatonga ny loza. Lohalaharana hatrany ny loza ateraky ny moto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana.
J.C