Naiditra am-ponja afakomaly ireo jiolahy tratra nanendaka tao Toamasina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tao Bazaribe no nahitana azy roa lahy ireto somary hafahafa fihetsika. Nitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana ny polisy. Tsy lasa lavitra anefa ry zalahy dia tratra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra avy nangalariny.
Mampitaraina ny mpandeha taxi-be ny firaisana
tsikombakomba ataon’ny resevera sy ny mpanendaka eo Anosibe. Mody miditra ao anaty fiara toy ireny handeha taxi-be ireny ireo jiolahy, kanjo manendaka ireo mpandeha. Renim-pianakaviana iray resin-tory tao anaty fiara nendahin’ny jiolahy. Lasa ny poketra nisy finday sy vola.
Nahazo fandrahonana avy amin’ny jiolahy ny tokantrano iray eny Ankadivoribe, afakomaly. Niantso tamin’ny finday ireo jiolahy fa milaza hanafika. Nampitandrina ny fianakaviana ireo jiolahy mba tsy hiteny amin’ny polisy. Mitaintaina, araka izany, ireo fianakaviana ka mangataka mba hijerena akaiky azy ireo.
Lasan’ireo mpangataka teo Anosy koa ny finday teny ampelatanan’ny tovovavy iray nandeha taxi-be, omaly hariva. Misy amin’ireo mpangataka mody manakaiky varavarankely kanjo misintona tampoka ny findain’ireo olona variana ao anaty fiara.