Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Jiu-Jiutsu, afaka fotoana fohy, ny Malagasy mpikatroka eo amin’ity taranja ity. Ho fanomanana izany fifaninanana goavana izany, mpikatroka 22, avy amin’ny klioba 7 no mivondrona, hitiliana izay hisolo tena an’i Madagasikara. Ny Federasiona malagasin’ny JJB no mikarakara izany fampivondronana izany, izay manao antso avo ho an’ny malala-tanana mba hifanohana amin’izy ireo. Mbola tsy ampy ny hoenti-manana ary miankina amin’izay ny isan’ny mpikatroka afaka hoentina. Hatramin’izao, 4 no nilaza fa efa hianto-tena, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona hatrany. Mpikatroka 3 hatramin’ny 5 eo kosa no hiantohan’ny federasiona. Tsara ny manamarika fa vao fampivondronana voalohany no natomboka ny 17 septambra teo. Mbola hisy fampivondronana maromaro sy fitsapana hatao ireo mpikatroka ireo hifantenana izay tena mendrika.
Mi.Raz