Nandray ny andraikiny ny Bianco, manoloana ny tsy famerenan’ireo mpikambana taloha tao amin’ny Ceni ireo fitaovana nampiasainy. Olona sivy voasambotra!
Araka ny vaovao voaray omaly, teo anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), mpikambana taloha tao amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana, Ceni, miisa sivy no nosamborin’izy ireo. Vontoatin’ny antontan-taratasin’ady ny resaka fanodinkodinana fananam-panjakana sy fanararaotam-pahefana.
Anisan’ny nosamborina sy nanaovana fanadihadiana ny filoha, ny filoha lefitra telo, mpitatitra roa ary mpanolotsaina telo tao amin’ity Voamieram-pifidianana ity. Nialohavana taratasy fampandrenesana ofisialy, nalefa teo anivon’ny Ceni niaraka tamin’ny fanamarinan’ny vadintany ny hetsika nataon’ny Bianco, araka ny vaovao hatrany. “Tsy nisy nanoina ny antso natao, tsy tafaverina ireo fitaovam-panjakana notakina”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Mba hamerenana ny fananana tsy ara-dalàna, nalain’ny Bianco ireo fiara tsy mataho-dalana miisa sivy sy Moto-cross 11 nandritra ny fanadihadiana notanterahin’izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana ireo olona sivy voarohirohy, nalefa eny anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly Pôle anti-corruption (Pac) eto Antananarivo ny fanohizana ny famotorana sy izay hiafaran’ny raharaha.
Etsy ankilan’izay, natolotra ny antokon-draharaha “Agence de recouvrement des avoirs illicites, (Arai) » ny figiazana ireo fitaovam-pitaterana nalain’ny Bianco. Ity antokon-draharaha ity no miandraikitra ny fitantanana izany, mandra-pivoaka ny didim-pitsarana mifanaraka amin’izany.
Tsiahivina fa ny 21 marsa 2023 no naharay ny fitoriana ny Bianco.
Fitia