Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha mifandray amin’ny fanomanana fifidianana ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena eto Madagasikara. Araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo, omaly, taorian’ny fihaonana tamin’ny governemanta ifarimbonana, natrehin’ny mpikambana vitsivitsy, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, afakomaly. Manao sonia izany ny delegasion’ny Vondrona eoropeanina, ny solontenan’ny OIF aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, ny ambasadaoron’i Allemagne, ny ambasadaoron’i Etazonia, ny ambasadaoron’i Frantsa, ny ambasadaoron’i Japon, ny ambasadaoron’i Royaume Uni, ny ambasadaoron’i Soisa.
Hamafisin’izy ireo amin’izany ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny tetiandrom-pifidianana. Anterin’izy ireo hatrany koa ny fanohanany ny zotram-pifidianana mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena: mangarahara, azo antoka, mampiaty ary milamina. Singa manan-danja mitondra amin’ny faneken’ny rehetra ny voka-pifidinana sy miantoka ny fitoniana eto Madagasikara ny fahatokisana an’izany dingana izany.
Mampahatsiahy ny fanajan’izy ireo ny fahalalahana fototra izy ireo. Anisan’izany ny zo hivory sy hanao fihetsiketsehana am-pilaminana, ary ny lanja mitovy omen’ny fitondram-panjakana sy ny haino aman-jery an’ireo kandidà rehetra, mifanaraka amin’ny foto-kevitra demokratika izay efa neken’i Madagasikara. Hanohy ny fifanakalozan-kevitra mirindra miaraka amin’ireo mpandray anjara rehetra ireo mpiara-miombon’antoka, araka izany.
R. Nd.