Hiatrika ny fifaninanana “Basket ball Africa League (BAL)”, dingana voalohany, ny 1 hatramin’ny 8 oktobra izao ny ekipan’ny Cospn. Ekipa tompondakan’i Madagasikara farany ka voatsonga hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Vaovao voaray teny anivon’ny klioba fa hanatevin-daharana indray ny Cospn, ilay mpilalao basikety amerikanina, i Bishop Michael Coulter. Ny fiatombohan’ity herinandro ity izy no nigadona teto an-tanindrazana hanomantena miaraka amin’ireo mpilalaon’ny Cospn. Tsiahivina fa efa nilalao niaraka tamin’ny Cospn tamin’ny fifaninanana “BAL” tamin’ny taon-dasa ity mpilalao ity ary izao mbola nanaiky ny hanatevin-daharana izao indray . Raha hiverenana ny zava-bitan’ity Amerikanina mirefy 2m05 ity tamin’ny taon-dasa, nahazo isa 5 izy ary nahavita “rebonds” 13. Marihina fa manatanteraka hetsika maro amin’izao fotoana izao ny Cospn miaraka amin’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho fanohanana ny ekipa. Anisan’izany ny hetsika fiaraha-mikorana eny amin’ny Yandy By pass, ny sabotsy 23 septambra ho avy izao.
Mi.Raz