Manomboka izao, afaka hiaina ireo vaovao eto Afrika ireo mpankafy. Azo atao izany amin’ny fidirana ao amin’ny SOKA Club, sehatra an-tserasera voalohany manangona sy manao varotra ary milalao amin’ny alalan’ny karatra niomerika misolo tena ireo firenena afrikanina 54. Misy ny SOKA Heroes, amin’ny fampiasana ny teknolojia NFT (non-fungible token). Misy ny tombontsoa manokana, toy ny fihenam-bidy sy ny fanomezana. Mandray anjara amin’ny fisarihana rehefa misoratra anarana ao amin’ny tranokalan’ny SOKA Club. Afaka manova ny fitiavan’ireo mpikambana amin’ny alalan’ny fitsangantsanganana sy fialamboly. Mba hahatanteraka izany, miara-niasa tamin’ny Telma ny SOKA Club ary faly manohana ireo masoivohony efa-dahy dia ireo mpilalaon’ny Barea, i Dax, i Melvin, i Bolida ary i Nina, mpikambana tonga voalohany ao amin’ny SOKA Club. Nanaiky ny hanome ny sariny izy ireo hampiroboroboana ny hetsika ho an’ny vahoaka malagasy. Soatoavin’ny SOKA club, ny fitiavana, ny paikady ary ny fanoloran-tena. Tetikasa firaisankina ny SOKA Club, hampiroborobo ny baolina kitra afrikanina. Manolo-tena handray anjara amin’ny famatsiam-bola sy fampiroboroboana ireo hetsiky ny Fondation Axian sy nyfandaharanasa SOKA solidarity. Handray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanabeazana, ny fahasalamana sy ny ara-tsosialy aty Afrika.
Torcelin