Mafanafana ny toe-draharaha politika amin’izao.
Na izany aza, aleo hifidy ny vahoaka fa aza korontanina, raha ny fijerin’ny mpanolotsain’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël. Fanehoan-kevitra…
“Aza ivoizana lainga ny vahoaka, fa manjary manakorontan-tsaina. Aleo ny vahoaka hiatrika fifidianana. Aza mifidy fotsiny rehefa tsy mety amin’ny tena izay, fa aza korontanina ny vahoaka. Zon’ny olompirenena ny mandeha mifidy”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Aza miandry mpanao politika na firaisamonina sivily ny olompirenena. Mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana, araho maso ny zotram-pifidianana. Manan-jo amin’izany ny tena.
Ankoatra ny fanazavana ny vina sy ny fandaharanasany, manabe olompirenena no tokony hataon’ny mpirotsa-kofidina: taomy ny olona hifidy, fa aza sintonina hikorontana. Tsy vahaolana ny korontana. Ny mpanao politika no mety hahazo tombontsoa amin’ny korontana, fa ny olompirenena no hibaby
an’izay. Mbola hitotongana ihany ve ny fiainam-bahoaka amin’ izany? Andao hajaina ny lalàna, fa ny mpanao politika no mampianatra olompirenena handika lalàna. Fandikan-dalàna no ataon’ny mpanao politika amin’ izao, fa tsy mieritreritra hoe mba hajaina ny olompirenena nifidy ny tena.
Fanamby ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra
Amin’ny maha olompirenena ny tena, mahasaro-piaro ny ezaka efa vita amin’ny fanomanana fifidianana. “Mijoro izahay ary tazoninay ny fanambinay eto anivon’ny Ceni hoe fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra”, hoy izy. Aza ny olom-piangonana no korontanina, aza ny olompirenena no atao sorona tsy hisian’ny fifidianana. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny famafazana lainga tsy marim-pototra. Andao hifanabe amin’ny fandehanana mifidy.
Tokony hipetraka amin’ny maha mpanabe olompirenena koa ny firaisamonina sivily. Anjarany ny manentana ny olona handeha hifidy, fa tsy hanao fomba fiteny politika: lasa mitarika ny olompirenena hikomy amina fanambarana mampisafotofoto saim-bahoaka. Manara-maso sy manao fanairana amin’ny asan’ny fanjakana raha misy tsy mety ny firaisamonina sivily, fa tsy mitarika ny sain’ny olona hisavorovoro. Aoka mba hohajaina ny maha firaisamonina sivily.
R. Nd.