“Hahasoa antsika ve izany Tetezamita izany? Tsy ho azo amin’izany ny mpamatsy vola. Hihemotra indray ireo hoe hanampy an’i Madagasikara. Izay no olana amin’ny fiaraha-mitantana, satria tsy manaraka ny Lalàmpanorenana”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ivato, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy fiaraha-mitantana izany no andrasan’ny vahoaka. Miara-manao sonia ireo kandidà 11 amin’ny zavatra maro takiny. Maninona no tsy miara-manao sonia dia manolotra kandidà iray? Na
ry zareo manao sonia aza: variana eto Antananarivo fa tsy manana mpikambana any ifotony; ny hafa, miezaka mitady fototra ka manao fitsidiham-paritra. Manao sonia ry zareo hoe hajanona ny fifidianana, nefa mbola manao fitetezam-paritra ny sasany. Izay no ilazany hoe samy mandeha, samy mitady no ataon’ny mpanohitra. Izay mahasarotra ny fifaninanana amin’ny filoha Rajoelina amin’izao firotsahan-kofidiny izao indray.
R. Nd.