Nanao fanambarana ireo tanora sy vehivavy miara-dia amin’ireo kandidà 11 fa tokony hiaraka hijery ny hoavy ary hanohana ny hetsika iarahana. “Sahia mijoro isika tanora sy fikambanam-behivavy ary hamafiso ny fiaraha-mientana, efa misy eo amintsika. Miandrandra antsika i Madagasikara”, hoy izy ireo.
Nohitsin’izy ireo fa mahazo laka ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fanajana ny Andrimpanjakana, ny fanitsakitsahana ny zo sy ny fahalalahana maneho hevitra. Nampikorontana ny firenena hatramin’izay izany ary efa nampidi-kizo. “Tena mbola tsy maka lesona ihany ireo tompom-pahefana ka miverina indray ireo fomba fanao efa nilaozan’ny toetrandro. Tsy mendrika antsika ny mbola hiverenan’ireo fomba fanao efa namotika ireo”, hoy izy ireo.
Nohelohin’ireo tanora sy vehivavy miara-dia amin’ireo kandidà koa ny mbola nanekena ny firotsahan-kodian’ny kandidà iray efa tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony. Tsy fankahalana izany na halako bika tsy tiako tarehy. “Fampiharana sy ho fanajana ny efa voalazan’ny And faha-46 amin’ny Lalàmpanorenana”, hoy izy ireo. Nohelohin’izy ireo koa ny “Fanonganam-panjakana” ka nanomezana ny fahefana ho an’ny “Gouvernement Collégial” nefa efa nilaza fa vonona handray ny fahefana ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Synèse R.