AMBASADAORON’I AFRIKA ATSIMO: Hitondra ny raharaha eo anivon’ny Sadc

Noraisin’ny ambasadao­ron’i Afrika Atsimo, i Sisa Ngomba, ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy Anko­rondrano ireo kandidà miisa 11. Nampanantena sy nanome toky ny masoivoho fa hampita amin’ny governemanta Afri­kanina Tatsimo ny vontoatin’ izao fihaonana teo amin’izy ireo izao. “Tena manan-danja sy maika izao dinika izao… Manana rafitra misahana ny lafiny fiarovana sy ny fandriampahalemana ny Sadc. Mikatsaka hatrany amin’ny fanampiana ireo firenena mpikambana, indrindra amin’ny fiatrehana ny fifidianana tahaka izao”, hoy ihany ny ambasadaoro. Notsiahiviny fa mitarika sady filohan’ny eo anivon’ ny Sadc amin’izao fotoana izao ny filohan’i Zambia, Ha­kainde Hichilema, ka hampitaina aminy izao ahiahin’ny kandidà miisa 11 izao.
Voaresaka tamin’izao fi­haonana izao ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny momba ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny nentin’ireo kandidà teo ambony latabatra nampitaina amin’ny ambasadaoro ny momba ny voalazan’ny Lalàmpanorenana manodi­dina ny famindram-pahefana, miaraka amin’ny voalazan’ny And-46. Eo koa ny nitanisan’ izy ireo ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny zotram-pifidianana. Notsindrin’izy ireo koa fa vonona ny hiroso amin’ny fifidianana ireo kandidà 11. Takin’izy ireo kosa anefa ny hizoran’izany araka ny rariny. Anisan’izany ny famelana azy ireo malalaka haneho hevitra…

Synèse R.

Partager sur: