Naneho ny heviny ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, manoloana ny raharaham-pirenena. “Mampiseho ireo dingana rehetra vita hatramin’izao fa tsy hiverin-dalana isika. Efa miroso any amin’ny fifidianana, araka ny daty efa voatondro”, hoy ny filoha nasionaly, Alexandre Georget, tetsy Antaninarenina, omaly. Notanisainy fa anisan’ny efa vita ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ny fikarohana ny hoenti-manana amin’ny fifidianana, ny fandraisana ny filatsahan-kofidin’ireo kandidà. Eo koa ny fanontana ny bileta tokana any Afrika Atsimo. Nohitsin’izy ireo fa hany lalan-tokana eken’izao tontolo izao ny fifidianana entina manendry ny filoha hitondra firenena. Ao anatin’ny fanajana ireo fepetra napetraky ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Efa mandray ny andraikiny ireo rafitra misahana ny fanomanana sy fandavorariana ny zotram-pifidianana”, hoy ihany ity antoko manohana ny firotsahan’ny kandidà Rajoelina Andry ity.
Etsy andaniny, niantso ny mpanao politika mba tsy ho sakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izy ireo. Tokony havela malalaka ny vahoaka hisitraka ny zony hifidy ny tiany ho mpitondra azy. Anjaran’ny tsirairay ny maneho ny safidiny. “Tany demokratika i Madagasikara ka tsy azo sakanana na havily lalana ny safidiny”, hoy ihany izy. Niantso ireo kandidà hifaninana ny antoko Maitso hifanaja ary haneho fitondran-tena ho fitaratra ho an’ny rehetra.
Synèse R.




