Hafana tanteraka ny lalao etsy Andohatapenaka, ny volana oktobra ho avy izao. Ho toy ny famaranana avokoa ny fihaonan’ny Uscar sy ny FTM ary ny Cosfa sy ny 3FB.
Afaka valo andro, hanomboka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny manasa-dalana , fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top 20”, taranja rugby. Fihaonana roa no tena andrasan’ny rehetra amin’io. Anisan’izany ny fifanandrinana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Uscar, ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Miampy ny fihaonan’ny Cosfa Miaramila sy ny 3FB, ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana.
Araka ny fantatra, mbola manala vela amin’ny mpilalaon’i Manjakaray sy ny miaramila ny ekipan’ny kaominina sy ny an’ny minisitera. Marihina fa ekipa efatra nivoaka tamin’ny ampahefa-dalana izy ireo. Ny Uscar, nandavo ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 33 no ho 29. Ny Cosfa nandresy ny STM Savony, 44 no ho 23. Ny 3FB nanilika ny Tam Anosibe, 30 no ho 21. Ny FTM Manjakaray, nanamontsana ny USA Ankadifotsy, 52 no ho 8.
Klioba efatra azo lazaina fa manana ny lazany avokoa izy ireo. Ny Uscar, ahitana an’i Toussaint, Dala be raha toa ka ry Matfield sy ry Koroka ny an’ny FTM. Ankoatra izay, mbola tazana milalao ao amin’ ny 3FB avokoa ireo nandrafitra ny Makis de Madagascar 2012.
Marihina fa hatramin’izao, ny FTM sy ny Cosfa no mbola tsy resy mihitsy tamin’ity fifaninanam-pirenena ity. Raha ny vaovao farany, hatao “Top 12” ny taom-pilalaovana manaraka ka ireo 12 voalohany tamin’ity fifanintsanana ity no hiatrika izany.
Fitia