Fandaharam-potoana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja basikety, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 hatramin’ny 29 oktobra izany. Ho an’ny sokajy lehilahy, fifaninanana ho an’ireo ekipa 8 mendrika indrindra na ny “Top 8” sy ny famaranana no hatao amin’io fotoana io. Hifaninana amin’izany ireo ekipa voatsonga tamin’ny dingana voalohany sy faharoa, ahitana ny Cospn Analamanga, SBC Vakinankaratra, TGBC Betsiboka, BCB Boeny, GNBC Analamanga, Ascut Atsinanana, As Fanalamanga Alaotra Mangoro ary ny MBC Atsinanana. Ekipa 10 izay efa nandray anjara tamin’ny dingana voalohany N1A kosa no mbola hifanintsana amin’ity dingana faharoa sy famaranana ity, ho an’ny sokajy vehivavy. Ahitana ny Mb2All Analamanga, TGBC Betsiboka, Jea Vakinankaratra, Phoenix Vakinankaratra, Ankaratra Vakinankaratra, Tamifa Amoron’i Mania, Serasera Vakinankaratra, Ascut Atsinanana, GNBC Analamanga ary ny Fandrasa Matsiatra Ambony.
Araka ny fandaharam-potoana, ny 18 oktobra no hanaovana ny fivoriana ara-teknika. Tsy maintsy aterina mialohan’ny 9 oktobra ny taratasy manamarina ny fandraisana anjaran’ny ekipa tsirairay.
Mi.Raz