Notanterahina nanomboka omaly 28 septambra 2023, tao amin’ny kianja Maitre Kira Toliara, ny tetikasa “Baolina kitra mahatafita”. Nahatratra 100 mahery ireo tanora tonga namaly ny antso tamin’ity hetsika ity. Marihina fa natao hitiliana mpilalao handeha ho any ivelany ny tanjona ho an’ny mpikarakara. Ilay vahiny mpazanatra, Wissem Mareef sy ireo ekipany no hanao ny fitiliana ho an’ireo tanoran’i Toliara.
Raha ny fanazavana voaray, ireo mpilalao teraka ny taona 2003 hatramin’ny 2006 ihany no afaka mandray anjara. Araka ny fikarohana natao, hifarana amin’ny 30 septambra ho avy izao ity fitiliana ity, ho an’ireo tanoran’Atsimo Andrefana. Tsara marihina fa mialohan’ny hetsika, nisy ny fihaonana teo amin’ny mpikarakara sy ny fitaleavam-paritry ny Fanatanjahantena sy ny tanora Atsimo Andrefana. Natao hifampizarana ny lamina ankapobeny izany.
Raha ny vaovao voaray, mbola mitohy anio any an-toerana ny fitiliana.
Tsara ny mampahafantatra fa miara-miasa amin’ity tetikasa ity, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ary ny LNR Sport Management.
Fitia