Fihaonana goavana miandry ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny rugby, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Energy Top 20. Hiady izany ireo ekipa 4 sangany, ny Uscar sy ny FTM ankilany ary ny Cosfa sy 3FB andaniny.
Lalao hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny ankatoky ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby. Hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany dingana izany. Adin’ireo ekipa andrarezina ny amin’ity. Fihaonana voalohany, ny an’ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Hanala vela amin’ity ny ekipan’ny kaominina. Samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta. Hanova paikady ry Tiana sy ny namany amin’ity ho an’ny Uscar.
Manantombo eo amin’ny fahaiza-manao kosa ny FTM tarihin-dry Lahatra sy i Koroka, noho ny traikefany sy ny fahazarany lalao goavana. Iarahan’ny rehetra mahalala rahateo ny tanjaka sy ny hakingan’ny Dakar, amin’ny filalaovana ao anaty “trois quart”. Heverina, araka izany, fa hangotraka ny lalaon’izy ireo.
Hanohitra ny Bebaoty ny Fahasalamana
Dona andrasan’ny rehetra ihany koa ny an’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny 3FB (Fahasalamana). Raha tsiahivina, tsy mbola afaka tamin-dry zareo miaramila ny mpilalaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vonona anefa ry Zo sy Jaona Be ary Rabiby sy i Rija ny hanarina izay fahavoazan’izy ireo izay, manoloana an-dry Maxime. Fihaonan’ny samy matanjaka no hitranga ka ho resy izay tsy mahatazona ny heriny.
Mialoha ireo lalao roa ireo ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eo amin’ny Fédéral 2. Hifandona ny FTAM Mandrangombato sy ny 3F5 Amboditsiry. Aorian’ izay ny lalaon’ny Rosa Clud de l’Imerina Antohomadinika sy ny CRAI Ambalavao Isotry.
Tompondaka