Miarinarivo Itasy : nahazo kianja ho an’ny taranja iraisana

Nisokatra ofisialy, ny alakamisy teo, ny kianja “multisport” ao Miarinarivon’Itasy. Kianja manara-penitra ho an’ny taranja iraisana: basikety, volley ary handball. Tetikasa natao indrindra ho an’ny tanora mpanao fanatanjahantena ity ary tanjona ny hampiroborobo ireo taranja ireo ao amin’ny faritr’Itasy. Ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny tanàna vaovao no nitokana ireo kianja ireo, niaraka tamin’ny Prefen’i Miarinarivo sy ny ben’ny Tanànan’i Miarinarivo izay samy mahatsapa ny mahazava-dehibe ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tonga nanatrika ity fanokafana ny kianja “multisport” ihany koa ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley, Raharimalala Lea. Nambarany fa zava-dehibe ho an’ny taranja Volley-ball ny fahavitan’izao.kianja izao. Hampitombo ny lanjan’izany taranja izany ary hampirisika ireo tanora hanao fanatanjahantena. Nisaotra ny fanjakana ny filohan’ny FMVB tamin’ny nijerena manokana ny taranja Volley-ball, tamin’izao fananganana kianja izao.

Mi.Raz

Partager sur: