Araka ny fikarohana natao omaly, ny volana oktobra ho avy izao no mety hiakatra kianja ny Barea de Madagasikara, ekipam-pirenena Baolina kitra. Raha ny nambaran’i Gernot Rohr, alemà mpanazatran’i Bénin, azo heverina ny hisian’ny lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinan’i Bénin sy i Madagasikara amin’io fotoana io. Filazana nampitany tao amin’ny televiziona Africasport TV, ny 25 septambra lasa teo.
Nomarihin’ity alemà mpanazatra ity fa ankoatran’i Madagasikara, hifanandrina amin’i Botswana izy ireo. Etsy ankilany, ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) dia tsy mbola manana fandaharanasa mahakasika ny lalao ara-piralahiana mandritra ny varavarakelin’ny Fifa. “Ilaina ny fihaonana ara-piralahiana amin’ireny fe-potoana omen’ny Fifa ireny. Natao hiatrehana ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hanaovana ny Mondial 2026, any Etats-Unis izany”, hoy Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, mpanazatra Barea nandritra ny andro roa faran’ny fifanintsanana Can 2023.
Nomarihin’ity Malagasy teknisianina ity fa tsy misy resaka mahakasika ny mety ho tohiny amin’ny hitondrana ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa ny FMF, hanatanteraka fifidianana eto Antananarivo ny sabotsy 14 oktobra ho avy izao.
Fitia Randria