Tsy tontosa hatramin’ny farany ny manasa-dalana faharoa, niadina ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Energy Top 20”, taranja rugby. Fihaonana nikatrohan’ny Cosfa sy ny ekipan’ny 3FB.
Niato teo amin’ny minitra faha-52 ny lalaon’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny 3FB (Fahasalamana), nandritra ny ankatoky ny famaranana faharoa, niadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby. Fihaonana, notanterahina omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa nitarika tamin’ny isa, 22 no ho 13 ny miaramila.
Tsy nanaiky ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsara ny mpilalaon’ny 3FB, rehefa nahazo karatra mena i Racom, taorian’ny fahadisoana nataony tamin’i Gougou. «Plaquage tsotra nataon’ny mpilalaonay nefa karatra mena avy hatrany no nomen’ny mpitsara», hoy i Rija kapiten’ny 3FB. Nitangorona teo amin’ny mpitsara avy eo ireo mpilalao an’ny minisiteran’ny Fahasalamana ary tsy hay fa nahazo karatra mena ihany koa i Jaona Be. Nisavoritaka tanteraka teny ambony kianja. Niantso ireo mpilalaony hiala ary tsy hanohy izany intsony i José, mpanazatra.
Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, 14 no ho 10 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Vao nanomboka ny fizaram-potoana faharoa, nanampy “essai” iray tsy voatsara sy “hors jeu” iray ny Cosfa ka nahatonga azy ireo ho 22. Tsy nahafaty afa-tsy “coup de pied de penalité” iray kosa ny 3FB. Nametraka fitarainana ny 3FB ka andrasana izay ho valin’izany.
Sahirana ny FTM Manjakaray
Tafita amin’ny famaranana kosa ny FTM Manjakaray (Dakar) raha nandavo ny Uscar (Kaominina), tamin’ny isa 35 no ho 26. Sahirana ny mpilalaon’ny Manjakaray vao nahazo ny fandresena satria nanohitra ny Uscar ary nisy mihitsy fotoana nitarihin’izy ireo, tamin’ny isa. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny alahady 8 oktobra, ny famaranana amin’ity «XXL Energy Top 20», ity.
Tompondaka