Feno iray taona, omaly 1 oktobra 2023, ny nitsanganan’ny Federasion’ny karate-do malagasy, tarihan’ny Shihan Ratefinanahary Emile. Nisy ny fanamarihana izany, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, niarahana tamin’ny fianakaviamben’ny taranja karate. Nambaran’ny filohan’ny FKM fa nisy ny fanamby napetraka ka tratra izany ankehitriny, mbola vonona hiezaka hanatratra ny tanjona ny federasiona, dia ny haha matihanina ny taranja karate sy ny mpikatroka ao aminy. Fifaninanana iraisam-pirenena no miandry ny FKM amin’ity 3 volana faran’ny taona 2023 ity. Goavana indrindra amin’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany Seniors, hatao any Hongrie, ny 24-29 oktobra izao, ka mpikatroka 6 mianadahy nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy teo no hiatrika izany. Maniry handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany “Jeunes”, hatao ny 7-10 desambra any Italie, koa ny FKM. Ankoatra izay, hisy ny fifaninanana hatao any La Réunion, nahazoan’i Madagasikara fanasana avy amin’ny ligy Renioney, ny 4-5 novambra izao. Hotanterahina ny faran’ny volana novambra kosa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, karate.
Mi.Raz