Hanomboka ny 4 oktobra izao, any Portugal, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena.
Efa vonona tanteraka ny Malagasy solontena, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja karate, sokajy Juniors. Judokas 3 mianadahy no tokony hisolotena an’i Madagasikara, araka ny fampahafantarana nataon’ny Federasiona malagasin’ny Judo. Judokas roa anefa hatramin’izao no efa fantatra fa hifaninana, raha toa ka tsy nahazo Visa ny solontena iray, Razafindrakalo Natacha, latsaky ny 48 kg, sokajy vehivavy. Araka izany, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, latsaky ny 70kg sy Randrianasolo Mahaisoa Lova, latsaky ny 73 kg, eo amin’ny sokajy lehilahy no efa vonona. Nanoman-tena fatratra ireto solontena malagasy ireto ary samy manana tanjona ny hibata fandresena, na dia somary ho sarotsarotra ihany aza ny fifaninanana. Ho an-dRasoanaivo Laura, efa ela izy no nanomana ary ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra natrehiny dia ho fanomanana ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity avokoa. Mpifanandrina manana ny maha izy avokoa no miandry an’i Laura, toa an-dry Samira Block, teratany Alemà, izay laharana faharoa maneran-tany ary tompondaka lefitra any Eoropa. Anisan’ny hifanehatra aminy koa, ilay Israeliana, i Gaya Bar Or sy ireo judokas 8 mendrika indrindra maneran-tany. Tsiahivina fa samy nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy farany teo daholo ireto solontena malagasy ireto ka antony nifantenana azy ireo ho ao anaty ekipa nasionaly. Ankoatra izay, efa nisolotena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro ihany koa ary nahazo vokatra tsara.
Mi.Raz