Rabibisoa Jerry Pepin : milalao ao amin’ny klioba BCM ao Frantsa

Ny alahady alina teo no nanainga teto an-tanindrazana hihazo an’i Frantsa, Rabibisoa Jerry Pepin, Malagasy mpilalao basikety, klioban’ny Cospn. Efa nigadona ao Frantsa izy ary efa tongasoa ao amin’ny klioban’ny BCM, ao Gravelines. Tsiahivina fa ny volana aogositra lasa teo no efa fantatra fa nahazo fifanarahana tamin’ity klioba goavana ity i Jerry ary izao nahavita sonia omaly izao. Ao amin’ny sokajy “Espoir” no misy azy. Mpilalao manana ny maha izy azy ity mpilalaon’ny Cospn ity ary tao anatin’ny ekipa nasionaly hatrany, tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehin’i Madagasikara, teo amin’ny taranja basikety. Anisan’izany ny fiadiana ny amboara maneran-tany farany teo. Etsy ankilany, klioba sangany ao Frantsa ihany koa ny BCM, izay tarihan’i Christian Devos. Manana ivontoeram-pampiofanana ity klioba ity ary manana sokajy maro, toy ny “Equipe Pro”, “Equipe Espoir” ary ny “Equipe Cadet”. Antenaina fa hitondra fahombiazana sy fivoarana ho an’i Jerry ny fidirany ao amin’io kliobany vaovao io.

Mi.Raz

Partager sur: