Tenisy – “ITF World tour junior”: tafita amin’ny manasa-dalana i Mirija sy i Tefy

Manohy ny lalany i Mirija sy i Tefy, eo amin’ny fiadiana ny “ITF World tour Junior”, taranja tenisy. Tafita amin’ny dingana manasa-dalana eo amin’ny olon-tokana lehilahy, izy rehefa nandresy ilay Indianina, tamin’ny seta 2 no ho 0.

Nitohy omaly talata, teny amin’ny kianja COT Ila­fy, ny fifaninanana hiadiana ny “ITF World tour junior”, taranja tenisy. Niditra teo amin’ ny dingana ampahefa-dalana ny fihaonana ho an’ny olon-tokana lehilahy. Nahazo ny tapakilany hiatrehany ny dingana manaraka Andriantefiha­sina Mirija sy Rabarijaona Tefy Ranja.
Mirija nandresy an’ilay teratany Indianina, i Aaryavir Kotha­ri. Lavony tamin’ny seta, 2 no ho 0 (6/3 ; 7/6), ity mpifanandrina taminy ity. Tsy nanano sarotra tamin’i Mirija ny naka ny seta voalohany fa teo amin’ny seta faharoa no niady sy nampitsanga-mitoetra ireo mpijery tonga nanatrika. Mbola Indianina, i Rishi Ragav Jana­karaj, no hidona aminy eo amin’ny manasa-dalana.
Ankoatra izay, tafita ihany koa i Tefy Ranja rehefa nanilika ilay Indianina, i Shiv Hariharan, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2 ; 6/3). Hidona aminy eo amin’ny ankatoky ny famaranana, ilay poloney, i Antoni Biczyk. Nifa­rana teo kosa ny dian’i Noah rehefa resin’ilay Indianina, i Rurik Rajini. Toy izany koa Ranaivo Mathieu, niondrika teo anatrehan-dRabetrano Tsiry, Malagasy manana zom-pirenena frantsay ary nilalao ho an’i France.
Ho an’ny vehivavy, tafakatra amin’ny ampahefa-dalana Ramanantoanina Ravaka rehefa nandavo an’i Schultz, tamin’ ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/2). Rajaobelina Iriela, Mala­ga­sy nilalao ho an’ny lokon’i Frantsa, nandavo an’i Soa Ainatia. Re­sin’ilay Okrenianina, Yarina Mu­zyka, tamin’ny seta 2 no ho 0, i Robinson Fitia.
Ho an’ny olon-droa miaraka, lehilahy, tafita amin’ny manasa-dalana i Tefy Ranja miaraka amin’ilay Indianina, Rurik Rajini. Teratany Indianina no hidona amin’izy ireo, dia i Baskaran sy i Janakaraj.

Tompondaka

Partager sur: