Hiditra amin’ny andro faharoa, anio, sabotsy 7 oktobra, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana voalohany amin’ny fifanintsananan’ny “Road to BAL”, taranja basikety. Anio vao hiditra an-tsehatra ny ekipa malagasy, Cospn, ka ny Ushindzi Comores no hifanandrina aminy. Tsiahivina fa efa niatrika lalao, omaly, nanoloana ny Beau Vallon Heat Seychelles, ity ekipa kaomoriana ity, ka resy tamin’ny isa 60 no ho 82. Azo antoka izany fa ho mora amin’ny Cospn ny handavo ny Unshindzi Comores, na izany aza, mbola tsy fantatra izay vokatra ho azo. Ho amin’ny rahampitso, hihaona amin’ny Beau Vallon Heat Seychelles, ny Cospn Madagasikara, andro farany amin’ity dingana voalohany ny fifanintsanan’ny “Road to BAL”, ho an’ny vondrona E, tanterahina eto Madagasikara. Ho fantatra rahampitso, araka izany, izay tompondakan’ny vondrona E, ka ho isan’ireo “Elites 16”, hiatrika ny dingana manaraka amin’ity “Basket-ball Africa League” ity.
Mi.Raz