Hotanterahina rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny famaranana ny fifananana XXL Top 20, taranja Rugby. Hifanandrina amin’izany, ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Lalao tena andrasan’ny maro efa ela, izy ireo no ekipa roa tsy mbola resy mihitsy nandritra ny fihaonana rehetra nataony nandritra ny fifanintsanana.
Ny mpilalaon’ny Manjakaray, nanilika ny USCAR tamin’ny isa 35 no ho 26 teo amin’ny manasa-dalana. Raha toa ka resin’ny Cosfa, 22 no ho 13 ny 3FB tamin’izany. Tsiahivina fa rava tsy lera teo amin’ny minitra faha-52 ny lalaon’ny Cosfa sy 3FB ny alahady 1 oktobra lasa teo. Somary sahirana kosa ny FTM vao nandresy ny mpilalaon’ny Kaominina Antananarivo.
Tsara ny mampahafantatra fa efa nifandona tamin’ny “Super Coupe XXL Top 20”, ny FTM sy ny Cosfa. Tsy tapitra hatramin’ny farany ny lalao noho ny fandavan’ireo mpilalaon’ny Cosfa tsy hanohy ny lalao intsony, ka nahavoahosotra ho tompondaka ny FTM tamin’izany. Tsara marihina fa tamin’io fotoana io ny Cosfa no nitarika tamin’ny isa 20 no ho 15.
Azo lazaina fa hanalavela amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity ny miaramila, etsy ankilany ny FTM tsy amela ny amboara ho lasan’ izy ireo.
Fitia