Rugby – XXL Top 20: tompondakan’i Madagasikara ny FTM Manjakaray

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2023, ny FTM Manjakaray (Dakar), eo amin’ny taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Cosfa (Bebaoty). Norombahiny ny lelavola 3 tapitrisa Ar sy ny amboara lehibe.

5 taona aty aoriana, niverina eo am-pelantanan’ny FTM Manjakaray indray ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara azy, eo amin’ny taranja rugby. Lavony tamin’ny isa, 31 no ho 27 teo amin’ny lalao famaranana, ny Cosfa. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly alahady.
Niady ary tena mendrika ny lalao nasehon’ny roa tonta. Nanokatra ny isa voalohany tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana ny miaramila, vao 5 mn nanombohana saingy tsy voatsara izany. Tsy ela anefa ny valin-kafatra fa nihoaran’ny FTM, 9 no ho 5 izany rehefa nahafaty “coup de pied” telo i Hery. Nanomboka teo nifehy ny lalao ry zareo Manjakaray, notarihin-dry Mika DJ sy i Lahatra ary i Koroka niampy an’i Julio. Tetsy an-kilany, nanao izay ho afany ry Gervais sy Radaoro ary i Maxime.
Tsy nijanona teo anefa ny baolina matin’ny FTM fa nahatsindry baolina sady voatsara indray izy ireo. 16 no ho 5 ny isa. Niezaka nanohitra indray ny Bebaoty ka nahatonga baolina nentin-tanana ry zareo, tamin’ny alalan’i Mbola izay voatsara ka 16 no ho 12 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Niampy “hors jeu” iray sy baolina voatsindry tsy voatsara taorian’izay ny an’ny FTM ka 24 no ho 12 ny isa, nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Very tamin’ny minitra farany

Fizaram-potoana faharoa, nanindry ny Cosfa ary nahafaty “hors jeu” ka niakatra ho 15 avy eo, mbola nahazo “essai” voatsara ka nifanakaiky 24 no ho 22. Nihoarany mihitsy aza ny isa rehefa nahatonga baolina nentin-tanana indray ry zalahy saingy tsy voatsara ka lasa 27 no ho 24. Nitranga ny tsy nampoizina tany amin’ny minitra faha-79, rehefa nahatonga baolina nentin-tanana i Poune ary voatsara. 31 no ho 27 ny isa nisarahana. “Samy nampiseho endri-dalao tsara izahay saingy nanamboatra ny tao amin’ny fiarovantena izahay. Anaram-boninahitra fahefatra ity azonay ity”, hoy i Lahatra, kapitenin’ny FTM. Nahazo lelavola 3 tapitrisa Ar ny FTM avy amin’ny orinasa Star. 1 tapitrisa Ar kosa ny an’ny Cosfa.
Nahazo ny laharana fahatelo ny 3FB nandresy ny Uscar, tamin’ny isa 46 no ho 36.

Tompondaka

Mpilalao mendrika i Hery (FTM) nahazo 500 000 Ar
Mpilalao nahafaty baolina be indrindra Dadatoa (Uscar) nahazo 500 000 Ar

Partager sur: