Ny ligin’i Boeny no handray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, amin’ity taona ity. Fifaninanana hotanterahina ny 27 oktobra hatramin’ny 4 novambra izao, ao amin’ny kianja “complexe sportif” Ampisikinana Mahajanga. Ny sokajy lahy sy vavy no hifaninana ary misokatra ho an’ny klioba rehetra manerana ny ligim-paritra rehetra. Fifaninanana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja Volley-ball, ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity, izay fifaninanam-pirenena voalohany ho an’ny filohan’ny federasiona malagasy vaovao ihany koa. Tanjona ny fampiakarana ny lentan’ny fifaninanana ka ho hita taratra sahady amin’ity “Coupe de Mada” ity izany sy amin’ireo hotanterahana ho avy rehetra, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona. Miara-misalahy amin’ity fikarakakarana ny fifaninanana ity, ny FMVB sy ny ligy rezionalin’ny Volley-ball ao Boeny.
Mi.Raz