Basikety”Road to BAL” : voalohany ao amin’ny vondrona E ny Cospn

Vokatra tsara no azon’ny ekipa malagasy, Cospn Madagasikara, niatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL” 2023, taranja basikety.

Fifaninanana nizotra teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, nanomboka ny 6 oktobra lasa teo ary nifarana omaly alahady. Ekipa 3 no nifaninana tao amin’ny vondrona E, nahitana ny Beau Vallon Heat Seychelles, Unshindzi Kao­moro ary ny Cospn Madaga­sikara, ka Malagasy no nahazo ny laharana voalohany. Fan­dre­sena mazava hatrany no azon’ny Cospn, tamin’ireo lalao roa natrehany. Raha hiverenana izay vokatra izay, tsy afa-bela nanoloana an-dry Elly sy ry Bishop ny ekipa kaomoriana, ny sabotsy lasa teo. Isa 82 no ho 60 no nandavoan’ny Cospn ity ekipa ity. Nitohy omaly alahady ny fandresen’ny Malagasy, nanoloana ny ekipan’ny Beau Vallon Heat Seychelles. Mbola fandresena mazava, tamin’ny isa 76 no ho 56 ihany koa no azon’ny Cospn nandritra izany. Nambaran’ny filohan’ny Cospn, Samy Harison Olivier, fa efa nampoizina ny fandresena ary efa niomana ny hiatrika sahady ny “Elites 16” izy ireo. Araka izany, tafita avy hatrany amin’ny dingana faharoa, dia ny “Elites 16”, i Madagasikara. Fifaninanana hatao any Abdijan Côte d’Ivoire sy any Johannesbourg, ny volana novambra izao, raha ny fandaharam-potoana. Tsiahivina, fanindroany amin’ity no tafiditra tao anatin’ny “Elites 16” ny Cospn, rehefa nitana hatrany ny laharana voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy. Hiezaka ny hanome vokatra tsara kokoa no ho ny tamin’ny “Road to BAL” farany teo ny Cospn. Mitohy avy hatrany ny fanomanantena ary hohamafisina izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny Cospn hatrany, omaly, taorian’ny fandresena azo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Mi.Raz

Partager sur: