Volley ball-FMVB : homena lanja ny taninketsa

Hiditra iray volana amin’ity herinandro ity ny nitsanganan’ny federasiona malagasin’ny volley-ball, tarihin-dRaharima­lala Lea, filoha vaovao, hitantana mandritra ny 4 taona manaraka. Nambaran’ity filohan’ny federasiona ity, fa efa manomboka tsikelikely amin’ny fampandrosoana ny taranja volley-ball, ny FMVB. Efa nambarany hatrany am-piandohana fa homena vahana ny taninketsa satria mila jerena dieny izao ny hoavin’ity taranja ity. Efa manomboka midina an-tsehatra sy mitety ireo ligy amin’izao ny federasiona mijery izay lafiny izay. Mahakasika ny ekipa nasionaly kosa, dieny izao dia efa hiditra amin’ny fijerena izay tena mendrika. Eny anivon’ny ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy no hanaovana ny sivana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona. Tafi­ditra anatin’ny fandaharanasan’ny FMVB izany, izay manome lanja ny ligim-paritra tsy ankanavaka.

Mi.Raz

Partager sur: