Nisokatra ny 9 oktobra lasa teo ny “Fenêtre-FIFA”, anisan’ireo hiatrika an’izany ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar.
Nanainga omaly tolakandro, nihazo an’i Marôc, ny Barea de Madagascar, hiatrika ireo lalao firahalahiana roa, hifanandrinana amin’i Bénin sy i Mauritanie. Fihaonana, hotanterahina ny 14 sy ny 17 oktobra ho avy izao, tafiditra ao anatin’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA). Tsy afaka hanatrika izany, i Kenji Van Boto sy i Adrien Trebel, araka ny nambaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra, nialoha ny niaingan’ny delegasiona.
Araka ny fampitam-baovao voaray mantsy, samy maratra avokoa izy mirahalahy ireo. Voadona nandritra ny lalao nataon’ny PAU FC, ekipa ilalaovany, i Kenji Van Boto, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny tsy fahasalamana ihany koa, nandritra ny andro vitsivitsy izay, i Trebel milalao ao amin’ny Sporting Charleroi.
Araka izany, nanapa-kevitra ny mpanazatra ny Barea fa hosoloina an-dRakotoarisoa Baggio, irakiraka ao amin’ny Ste Jeanne d’Arc, La Réunion, ny toeran’i Adrien Trebel.
Tsy afaka niantso mpilalao hafa intsony kosa hanolo an’i Boto, noho ny fahateren’ ny fotoana. Araka ny vaovao avy amin’ny mpanazatra hatrany no nahalalana fa hamonjy avy hatrany ny Barea, any Marôc ireo mpilalao mila ravinahitra, Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”, faritr’i Afrika ireo lalao roa hataon’ny Barea ireo.
Tsara ny mampahafantatra fa amin’ireo fihaonana roa ireo ihany i Coach Rôrô no hitondra ny Barea de Madagascar. Ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hanao fifidianana ny 14 oktobra ho avy izao, eto Antananarivo.
Tompondaka