Notanterahina omaly talata 10 oktobra, tany Afrika Atsimo, ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy «A», amin’ity «Cosafa Cup», taranja baolina kitra, vehivavy, ity. Resin’i Malawi tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara tamin’izany.
Araka izany, ity no faharesena fahatelo azon’ny Barea de Madagasikara nandritra ity fifaninanana ity.
Nanjakan’ny mpilalaon’i Malawi tanteraka ny fihaonana tamin’ity. Izy ireo no nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Nijanona tamin’io isa io ihany moa ny lalao, resy ny vehivavy Barea. Tsy nahita fandresena mihitsy ny Malagasy tamin’ity “Cosafa Cup 2023”, izay atao atsy Afrika Atsimo, ity.
Tsiahivina fa ny 4 oktobra lasa teo, niondrika teo anatrehan’i Eswatini, 2 no ho 1 isika, nandritra ny andro voalohany. Lavon’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, 3 no ho 1 teo amin’ny andro faharoa.
Ankoatra izay, ny 14 oktobra ho avy izao, eto Antananarivo, hisy ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miisa dimy ireo kandidà nirotsaka hofidina amin’ izany.
Fitia Randria