“Madagascar Tennis Project” : hampiofana sy hizara traikefa i Miary Zo

Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana DEJEPS Tennis, ho avy eto Madagasikara, hampiofana sy hanome ny fahalalany ho an’ireo kilonga sy mpanazatra, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy, monina any Frantsa.

Handalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, ilay Malagasy mpilalao tenisy, tomponda­kan’i Madagasikara intelo misesy, sokajy “junior”, saingy efa miasa sy monina any Frantsa. Tsy hitsangantsangana ny anton-diany eto fa hizara ny traikefany sy hanome fiofanana ho an’ireo ankizy 4 ka hatramin’ny 12 taona amin’ny sekoly sy ireo klioba ary ireo mpanazatra sy mpitaiza ta­nora.

Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa “Madagascar Tennis Project” izy ity. Hotontosaina, ny 26 oktobra ka hatramin’ny 6 novambra ka hisitraka izany ny ligim-paritra Analamanga, Vakinankaratra ary Atsina­nana.
Tsiahivina fa ao amin’ny club AST Herblay i Miary Zo ankehitriny, ary vao avy nahazo ny “diplome DEJEPS Tennis”, ny volana septambra lasa teo. “Faniriako ny hanampy sy hizara ny fahaizana azoko ho an’ny fampiroboroboana ny tenisy any Mada­gasikara ka izay no nanosika ahy sy ny kliobako hanatanteraka ity tetikasa ity. Miainga any ifotony mantsy ny hananana mpilalao mahay sy hahazoana vokatra tsara”, hoy izy.

Marihina fa hanampy an’i Miary Zo amin’izao fiofanana izao, ireo teknisianina 3 mianadahy avy amin’ny klioba, ahitana an’i Bertrand Levacher (directeur sportif Herblay), i Thomas Friant (Formateur Ligue / Intervenant FFT) ary i Louane Chabaud (COP Educatrice tennis club bénévole).

Ankoatra ny fiofanana, hisy fitaovana mitentina 200 kg, ahitana fanamiana, kiraro, raketra, baolina sy kojakoja momba ny tenisy, hozaraina ho an’ireo kilonga. Nomarihin’i Miary Zo fa avy amin’ny hetsika fanentanana ireo olona tia tenisy ny nanangonana sy nahazoana ireo entana ireo.

Torcelin

Partager sur: