Hotanterahina ny 14-15 oktobra ho avy izao, any Tunisie, ny ady tapakila hiatrehana ny lalao olympika, JO Paris 2024, taranja Rugby lalaovin’olona fito. Miisa valo ireo firenena mandray anjara amin’izany, ka ao amin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara. Miaraka amin’izy ireo i Kenya sy i Zambie ary i Ghana. Marihina fa ao amin’ny sokajy “A”, misy an’i Tunisie, mpampiatrano, Ouganda, Afrika Atsimo, Zimbabwe.
Hanala vela amin’i Kenya, araka izany, ny Makis Ladies, lavon’ ireo Kenyanina nandritra ny Can vehivavy 2023 izay natao teto amintsika izy ireo ny volana mai lasa teo. Ny voalohany amin’ity fifanintsanana ity no miatrika avy hatrany ny JO 2024 raha toa ka manao lalao sakana ny faharoa.
Tsiahivina fa ny alarobia 11 oktobra alina lasa teo no nanainga hihazo any Tunisie ireo delegasiona tarihan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Ireo mpilalao nandrafitra ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo ihany no mandrafitra izany.
Fitia