ITF World Tennis Tour Junior : nahazo medaly volamena roa ny Malagasy

Nifarana omaly zoma, teny amin’ny kianja COT Ilafy, ny dingana faharoan’ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour”, sokajy “junior” lahy sy vavy. Nahazo fandresena roa ta­min’ireo famaranana efatra niadiana ny Malagasy. Ani­san’izany ny teo amin’ny sokajy lehilahy olon-tokana. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana. Voahosotra ho tompondaka Andriantefihasi­na Mirija, nandresy an-dRa­kotomalala Mahefa Anthony, tamin’ny seta 2 (7/5 ; 6/2). Mbola noporofoiny indray ny maha tompondakan’i Afrika azy. Norombahin’ilay indianina, Vanshika Maria Valz Vasanth Valz kosa ny teo
amin’ny vehivavy. Lavony ta­min’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/3), Ramanantoanina Rava­ka Noemie. Lasan’Andriante­fiha­sina Elisoa sy Rajaobelina Iriela, Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, ny teo amin’ny vehivavy olon-droa. Seta 2 no ho 0 (7/6 ; 6/2), no nanilihany an’i Niyamika Balaji avy any Inde sy ilay anglisy, Daisy Clifford.
Ilay afrikanina tatsimo, i Cooper Mc Carthy sy ilay Indianina, Rishi Ragav Ja­nakaraj nahazo ny amboara teo amin’ny lehilahy olon-droa, rehefa nandavo an’An­driantefihasina Mirija sy Ra­naivo Hasina Mathieu, tamin’ny seta 2 no ho 1. Niady ny fihaonana satria lasan’ny Malagasy ny seta voalohany (6/4) nosahalain’i Rishi sy i Mc Carthy indray izany (6/1). Niditra tamin’ny seta fahatelo ary lavo tamin’ny isa, 10 no ho 8 ry zalahy.

Torcelin

Partager sur: