Tsara ny vokatra ho an’ny ekipa solontena malagasy “Antananarivo”, nandritra ny fifaninanana “Fiba 3×3 World Tour”, natao tany Shanghai, ny faran’ny herinandro teo. Dingana lehibe no vitan’i Elly, i Arnol, i Ricky ary i Livio, nanoloana ireo ekipa goavana sy kalaza maneran-tany. Laharana fahatelo no misy an’i Madagasikara, taorian’ny lalao manasa-dalana nifanandrinana tamin’ny ekipan’ny Ulaanbaatar Mongolie. Isa 22 no ho 12 no nandavoan’ity ekipa ity ny ekipa malagasy. Rehefa natao ny fanisana ny totalin’ny isa, tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo ny ekipa Antananarivo. Raha hiverenana ny lalan’ny ekipa Malagasy, fandresena 2 no norombahin’izy efatra mirahalahy, izay nandreseny ny ekipan’ny Futian, avy ao Chine, tamin’ny isa 21 no ho 18 ary ny nahazoany ny fandresena, nanoloana ny Vienna, tamin’ny isa 21 no ho 20, lalao ampahefa-dalana. Tsiahivina fa ity ekipan’ny Vienna ity no tompondaka farany ary ny Ulaanbaatar Mongolie, kosa ny nahazo ny fandresena tao amin’ny vondrona nisy an’i Madagasikara. Teo amin’ny “Concours Tir” kosa, nahazo isa 8 i Elly ka teo amin’ny laharana fahefatra no nisy azy.
Mi.Raz