Rugby « Lalao Olympika 2024 »: laharana fahadimy i Madagasikara

Nifarana omaly ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika 2024”, taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy, izay natao tany Tunisie. Nipetraka teo amin’ny laharana fahadimy i Madagasikara, rehefa nandavo ny mpilalaon’i Tuni­sie, mpampiatrano tamin’ny isa 25 no ho 5. Marihina fa nahazo fandresena telo tamin’ireo lalao dimy natao ny ekipam-pirenena malagasy Makis Ladies 7.
Raha hofintinina ny dingana nataon’ny vehivavy Makis, ny sabotsy lasa teo izy ireo, nandresy an’i Ghana, tamin’ny isa 31 no ho 10. Resin’i Zambia 17 no ho 15, ny Malagasy. Lavon’i Kenya, 17 no ho 20 ny vehivavy Makis.
Nandresy an’i Zimbabwe 10 no ho 15 ny Makis Ladies.
Ny ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo, araka izany, no tafita avy hatrany amin’ny “lalao Olympika 2024”, izay atao any Paris. Ny ekipam-pirenen’i Kenya no hanao fihaonana sakana, rehefa niondrika teo anatrehan’ i Afrika Atsimo, 12 no ho 7.

Fitia Randria

Partager sur: