Faha-25 taonan’ny Radio Feon’Imerina : nifanakaiky ny mpihaino, ny mpiasa ary ireo mpanakanto

25 taona nampintana ny kanto, ny kolontsaina, ny vaovao ary ny soatoavina lalainy ny onjampeo Feon’Imerina. Nandritra izay 25 taona izay, nanana ny mpanaraka sy mpankafy azy ny radio. Tao­rian’ny fampisehoana fanokafana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, nitohy tamin’ny fitsangantsanganana lehibe indray ny fankalazana, ny sa­botsy lasa teo. Nifamotoana teny amin’ny Kianja Maitso Alasora ireo mpankafy sy mpihaino ny Radio Feon’Imerina, nihaona nivantana tamin’ireo mpiasa manodina ny onjampeo ary ireo mpanakanto na­mana izay tonga maro dia maro tokoa.
“Tonga marobe ny mpihaino sy ny mpankafy. Nampi­hetsi-po anay mpikarakara ny fahatongavan’ireo mpanakanto marobe, nandray anjara nanafana ny lanonana”, hoy ny filazan’i Ndrema, mpanentana sy tomponandraikitra ao amin’ny onjam-peo. Ankoatra ny maha fitsangantsanganana azy, nisy ny sehatra goavana, izay nampiainan’ireo mpanakanto mi­vantana ny sangananasany. Tarika any ho any amin’ny 20 no nifandimby, na­hitana an-dry Solika, Gasy Miangola, Iman­ga­rivo, Ry Voa­hary (Ka­bô­sy), Tarika Filah, Ralanto, Mbola Rabari­vola (zanak’i Romule), Doda (Ny Voamain­tilany), Jean Andriamanan­tena (Andre Titys), ny Valiha Académie, sns.
Efa fikarakaran’ny Radio Feon’Imerina ihany ny fitsangantsanganana sy ny fihaonana amin’ny mpankafy, fa anisan’ny lehibe indrindra iny tontosa ny sabotsy teo iny. Fantatra fa mbola hisy tohiny ny fankalazana ny faha-25 taona, izay ambaran’ny mpikarakara manaraka eo.

Zo ny Aina

Partager sur: