Angovo azo havaozina: herinaratra 50 Mw vaovao isaky ny distrika 46

Manohana an’i Madagasikara amin’ny famatsiana herinaratra ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hisitrahan’ny 70% amin’ny tokantrano malagasy izany hatramin’ny taona 2030.

Mitentina 400 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena hananganana foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro eto Mada­gasikara. Miisa 46 ny foibe hatsangana any amin’ny distrika 46, samy hamokatra 50 Mw tsirairay avy. Hitondra vahaolana goavana amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra ny angovo avy amin’ny masoandro. Manodidina ny 2 000 KWh isaky ny 1m2 isan-taona ny herin’ny masoandro eto Madagasikara. Mitotaly 2 800 ora isan-taona ny fibaliakan’ny masoandro. Hanatan­terahana ny tetikasa ny “Digital and energy connectivity for inclusion in Madagasikara” (Decim), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Tanjona ny ahazoan’ny 70% amin’ny tokantrano malagasy herinaratra hatramin’ny taona 2030. Mandeha andro sy alina ny jiro amin’izany. Nilaza ny minisitra Andriamampionona Solo, fa « hisitraka azy daholo ny Malagasy tsy ankanavaka fa tsy ny mpanjifan’ny Jirama ihany ».

Eo am-pananganana ny foibe 32

Hitondra vahaolana ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana ity paikady vaovao ity. Lalana miampita any amin’ny fampiasana angovo madio satria azo havaozina ny 80% aminy. Hihena ny fampiasana sy ny fianteherana amin’ny angovo avy amin’ny solika.

Manodidina ny 7 900 Gwh ny herinaratra ho vokarina amin’ny taona 2030, raha 1 500 Gwh izany ankehitriny. Miisa 32 ny foibe efa eo am-pananganana amin’ireo 46 hatao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: