Mbola napetraka amin’ilay Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix, ny fahatokisana ny hitondrana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar A.
Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred sy ny filoha teo aloha, Andrianony Victorien. Taorian’io lanonana io, fantatra fa mbola Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô ihany no hitondra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar mandritra ny fifanintsanana Mondial 2023.
Raha ny fanazavana nataon’ ny lehiben’ny Federasiona, hisy teknisianina vahiny hanampy azy amin’izany. Tsiahivina fa ny volana novambra ho avy izao, hisy ny fampivondronana ataon’ny Barea de Madagascar hiatrehana ny fihaonana amin’i Ghana sy Tchad.
Tsiahivina fa tamin’ireo fihaonana roa nentin’i Rôrô farany, nandritra ny «Fenêtre FIFA» izay natao tany Maroc. Nahita fandresena iray tamin’i Bénin sy faharesena nanoloanan’i Mauritanie ny ekipam-pirenena malagasy.
Ao amin’ny vondrona «I» no misy an’i Madagasikara. Miaraka amintsika amin’izany, i Mali, Ghana, Comores, Republique Centrafrique, ary Tchad. Ankoatra izay, tsy nanome ny anaran’ireo olona hanao ny asan’ny tale teknika nasionaly sy ny sekretera jeneraly izy. Ny 15 oktobra lasa teo, nisy ny fivoriana nataon’ny Fifa niaraka tamin’ity filoha vaovaon’ny FMF ity. Raha ny fanazavana nomen-dRandriamanampisoa Alfred, hisy fiara lehibe ho an’ny Barea de Madagasikara omen’ny Fifa ary hisy ny fanamboarana ny kianjan’ ny Rabemananjara Boeny sy ny ivontoeram-piofanana eny Carion. Ny volana desambra ho avy izao, hanao Kaonferansy Nasionaly atao eto Madagasikara. “Madagasikara, natao handresy fa tsy natao ho resy amin’ ny fifaninanana baolina kitra rehetra”, hoy ity Filohan’ny FMF vaovao ity.
Fitia Randria