Mandalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy. Mitondra ny traikefany ary mizara sy mifanakalo hevitra amin’ ireo zandry mpilalao sy mpanazatra ary mpanabe ny tenany. Manampy ara-pitaovana ihany koa izy sy ny ekipany.
Namaly an-kitsim-po ny fanontanian’ny mpanao gazety, Rakotondramboa Miary Zo, mpilalo tenisy ny sabotsy lasa teo, teny Ivato, ny amin’ny fiainany any ivelany any, amin’izao fotoana izao. Nambarany fa sady mpanazatra izy no mpilalao ao amin’ny AST Herblay, taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana DEJEOPS Tennis, rehefa nianatra nandritra ny 2 taona.
Ny amin’ny mbola mety handrafetany ny ekipam-pirenena malagasy indray notsoriny fa efa ampy ny vitany fa aleo omena ireo zandry ny toerana. “Tsy mitovy amin’ny teo aloha ny zava-misy. Fahiny, tsy manao afa-tsy kotrana, amin’izao fotoana, sady miasa no manao fanazaran-tena. Na izany aza, mbola manao fifaninanana ihany”, hoy izy.
Nambarany fa faniriany ny ho lasa “coach”-ny ekipam-pirenena malagasy. ‘Tsy midika ho pi-maso amin’ny federasiona akory izao zavatra ataoko izao fa efa tetikasa hatry ny ela ho valim-babena sy hampiroboroboana ny tenisy eto amin’ny tanàna”, hoy i Miary Zo.
Tratra ny tanjona
Nifarana omaly alahady, teto Antananarivo, ny dingana voalohany amin’ilay tetikasa “Madagascar Tennis Project”, an-dRakotondramboa Miary Zo sy ireo teknisianina mirahalahy, i Thomas Friant (formateur ligue) sy i Bertrand Levacher (directeur sportif) AST Herblay. Nolazain’izy ireo fa tratra ny tanjona ary nahafa-po ny vokatra raha ny zava-misy. Tsiahivina fa nanombohana izany ny fanomezana fahalalana fototra ireo mpianatra 6-11 taona, teny amin’ny sekoly Antsobolo. “Tsy nampoizinay ny hafalian’ireo ankizy, sambany vao nanao tenisy. Hita tamin’ny endriny sy ny fitsikiny ilay fitiavana”, hoy i Bertrand Levacher.
Nitohy teny amin’ny Club du Car Ivato, ny sabotsy, ka fampilalaovana ireo kilonga sy fifampizarana fomba fiasa sy traikefa tamin’ireo mpanazatra no natao. Nanakatonana ity dingana voalohany ity, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra sy ny an’ ireo mpilalao 15 – 20 taona, natao teny amin’ny klioba Atema. Hitohy any amin’ny ligin’i Vakinankaratra indray ny tetikasa “Madagascar Tennis Project”, rahampitso talata. Tsiahivina fa nozaraina fitaovana hatrany ireo ankizy nomena fahalalana.
Torcelin