Taorian’ny fanatontosana ny fanomezam-pahefana ny filoha vaovaon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ny alakamisy lasa teo, tetsy Mahamasina. Fantatra avokoa ny asa sy andraikitra raisin’ireo olona mikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny FMF izay miaraka aminy.
Tsy niova tamin’ny toerany ny andraikitra raisin-dRaharimino Mario Rosario, filohan’ny kaomisionina baolina kitra ho an’ny sokajy Zandriny. Rakotoarisoa Jhonny, lehiben’ ny kaomisionina ny baolina kitra vehivavy eto amintsika raha toa ka i Pontiac Jean Théophan no tomponandraikitra amin’ny baolina kitra lalaovina eny ambony tora-pasika “Beach soccer”.
Tsara ny mampahafantatra fa manana tanjona lehibe sady goavana ny FMF, anisan’izany ny mety hahafahan’i Madagasikara mandray anjara amin’ny Mondial 2026, izay atao any Etats-Unis. Tsiahivina fa ny volana desambra ho avy izao, hisy kaonferansy lehibe atao eto Madagasikara, raha ny fanambarana nataon’ny filoha vaovao.
Fitia Randria
Ireo mpikambana ao amin’ny FMF sy ny andraikiny
Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF
Pontiac Jean Théophan, filohan’ny kaomisionina Beach Soccer
Rakotoarisoa Jhonny, filohan’ny kaomisionina Foot-ball Féminin
Ratsimanotry Razafiarison, filohan’ny kaomisionina amin’ny “Statut des joueurs”
Raharimino Mario Rosario, filohan’ny kaomisionina baolina kitra zandriny
Ratovohery Solonirina, filohan’ny kaomisionina amin’ny fifaninanana
Tanteliniaina Angelin Patrick, filohan’ny kaomisionina eo anivon’ny fitantanam-bola
Tsitoara Serge Thierry, filohan’ny kaomisionina misahana ny serasera sy ny varotra
Raveloarison Erick, filohan’ny kaomisionina ara-teknika
Rabevahiny Arlème, mbola andrasana ny andraikiny
Rabemanantsoa B. Edouard, mbola andrasana ny andraikiny