Mondial Rugby : hiady ny amboara i Afrika Atsimo sy i Nouvelle Zélande

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany France, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsimo sy ny All Blacks, Nouvelle Zé­lan­de no hifanandrina eo amin’ny famaranana. Raha hiverenana ny manasa-dalana nataon’ireo ekipa roa ireo, ny Springboks nandresy an ‘i XV de la Rose, Angleterre, tamin’ ny isa tery 16 no ho 15, ny sabotsy 21 oktobra lasa teo. Nomon­tsa­nin’ny All Blacks tamin’ny isa mavesatra, 44 no ho 6 i Argentine, ny zoma 20 oktobra lasa teo.
Azo lazaina fa adin’ny samy ngeza ity lalao ity, samy haka ny anaram-boninahitra faninefany ho azy avy ny roa tonta. Raha ny fihaonan’ny roa tonta farany, mbola manala vela i Nouvelle Zélande. Ni­ondrika teo anatrehan’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 7 no ho 35, ny ekipa nasionaly Nouvelle Zélande.

Marihina fa ny Springboks no tompondaka farany tamin’ ny Mondial Rugby 2019. Tsara ny mampahafantatra fa ny 28 oktobra ho avy izao no hanaovana ny famaranana ao amin’ ny Stade de France any Paris, renivohitr’i France.

Fitia Randria

Partager sur: