Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano famakiam-bokin’ny Fondation H, Ambatomena. Ivontoerana anisan’ny manome lanja sy mampiroborobo ny haikanto sy ny kolontsaina maro samihafa. Mampiavaka ity fotodrafitrasa vaovao ity ny fanasongadinana ireo asasoratra mahakasika ny haikanto ankehitriny. Maro ireo mpahay kanto niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana ity efitrano famakiam-boky ity.
Nitombo indray, araka izany, ireo fotodrafitrasa ahafahana mampivelatra sy mampiroborobo ny kolontsaina sy ny haikanto. Anisan’ny mahazo tombony manokana amin’izany ireo mpiangaly ny haikanto ankehitriny. Anisan’ny nametraka ny dian-tanany, tamin’ny fananganana ity taotrano ity i Pascale Obolo sy Ntone Edjabe. Izy ireo izay manampahaizana manokana amin’ny resaka haikanto sy ny trano famakiam-boky. Tonga teto Antananarivo izy ireo, nijery ny momba ny toerana. Tao anatin’izany ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny trano famakiam-boky. Teo ihany koa ny fiaraha-miasa tamina mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy haikanto malagasy. Anisan’izany ny mpanoratra, mpandalina, mpanao gazety ara-kolontsaina. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny atrikasa nataon’izy ireo, hoentina mampivelatra ny fanoratana ny haikanto ankehitriny.
Lin