IFR Ankadifotsy : mpianatra 400 lasa mpan’ako fandriampahalemana

Nanentana ireo mpianatra ao amin’ny IFR Ankadifotsy ny YESS Girls Movement-Mpanazava eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharanasa “School bullying prevention toolkit”. Niompana amin’ny ady amin’ny herisetra an-tsekoly ny fanentanana.
Mpampianatra sy ray aman-dreny ary mpianatra maherin’ny 400 no tonga mpan’ako fandriampahalemana taorian’ny hetsika.
Hisoroka sy hampitsahatra ny herisetra eny an-tsekoly no tanjona. Raha miaina na mahita tranga maneho herisetra izy ireo dia ho sahy hijoro, hitoroka ary hanohitra izany herisetra izany.
Araka ny fantatra, miaina herisetra ny ankamaroan’ny ankizy any an-tsekoly. Fihetsika kely heverina ho zava-poana kanefa mety handratra ny hafa toy ny fanilikilihana, fanaovana teny mahery, fandrahonana, levilevy… Ahina hitarika amin’ny fialana an-daharana any an-tsekoly mihitsy aza izany raha tsy voasakana haingana.
Manana andraikitra amin’ny fampitsaharana ny herisetra an-tsekoly ny mpianatra, ny mpampianatra ary ny ray aman-dreny ka izany indrindra no nanaovana ny fanentanana teny anivon’ny sekoly.

Tatiana A

Partager sur: