Nanatanteraka fihaonana teny Ambohimanambola ireo mpiofana nivoaka tao amin’ny HEA ENAM izay manam-pahaizana amin’ny sehatry ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny volana oktobra teo.
An-jatony izy ireo no efa nivoaka tamin’io sampam-piofanana ho mpiasam-panjakana sy mpitantana ambony eto amin’ ny firenena io. Andiany dimy miantaona no efa nivoaka tamin’ ireto “expert” ireto.
Vonona hitondra ny fahaizany ho an’ny tombontsoam-pirenena izy ireo. Na eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana na ny fitantanana ny toekarena na ny lafiny diplaomasia sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany.
Mandray anjara amin’ny fandinihana ny zava-misy eto amin’ ny firenena ihany koa ireto manampahaizana ambony ireto ary vonona amin’ny fandraisan’andraikitra. Fitantanan-draharaha madio sy mendrika no kendren’ireto Malagasy avara-pianarana ireto mba ho tombontsoan’ny besinimaro.
Nanome voninahitra ny fihaonana ny masoivoho teo aloha, Andriamasinoro Denis, sy Rakotondrazaka Andry, filohan’ny andiany Ilo.
Tatiana A




