Dokotera Razafindraibe Kanto: Saro-pady ka mila olona matihanina ny fitarafana

Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny sampandraharahan’ny fitarafana na “imagerie médicale” ao amin’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana ny dokotera Razafindraibe Kanto, radiologue sady lehi­ben’ny sampandraharaha.
Miompana amin’ny fitiliana ny karana sy ny vanintaolana, avokavoka, nono ary ny anaty kibo no atao ao amin’ny sampandraharaha fitarafana. Ireo olona manana olana amin’ireo taova ireo ka nandalo mpitsabo, homena taratasim-pangatahana hanaovana ny fitarafana avy hatrany rehefa avy nozahan’ny dokotera no atao izany.
Saro-pady ny fitarafana ka ireo dokotera matihanina no manatanteraka izany. Misy ny karazan’olona tsy azo tarafina, anisan’izany ireo reny mitondra vohoka sy ireo vehivavy mampinono satria mampiova ny taharo ao amin’ny nonon-dreny ny fandalovan’ny «rayon x» amin’ny nono. Raha tsy maintsy atao ny fitarafana amin’ny reny mampinono anefa dia mitsahatra mampinono ao anatin’ny 24 ora ary ariana matetika ny nono.
Mila fitandremana ihany koa ny fitarafana ny zaza sy ny ankizy satria mora handairan’ ny «rayon x» kokoa izy ireo.
Ny mpitsabo ihany no ma­maritra na mila atao radiographie ny olona iray na tsia sady manome ny taratasy mi­la­za izany. Ny radiologue iha­ny koa dia mbola afaka mampitsahatra izany raha toa ka tsy mety atao radio ilay marary.

Tatiana A

Partager sur: