Seces sampana Antananarivo : manohitra ny fandrahonana hanala ny « vacataire »

Tsy mbola nahitana vahaolana hatramin’izao ny olan’ny mpampianatra mpikaroka eny Ankatso. Manameloka ny fandrahonana samihafa ireo mpampianatra.

Manoloana ny fandrahonana fanapahana karama ho an’ireo mpampianatra mitarika he­tsika sendikaly eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, nanao fanambarana ny mpikambana ao amin’ny biraon’ ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), fa mbola eo koa ny teritery fandrahonana hanalana ireo mpampianatra an-tselika nitaky ny karamany. Efa an-taonany maro no tsy nisitraka karama izy ireo nefa nahavita ny “obligations de services” ny ankamaroany ary miasa ambonin’ny ora tokony hampianarany noho ny tsy fahampian’ny mpampianatra raikitra. Voa­faritra mazava ao amin’ny article 05 ny lalàna 95-023 ny 5 septambra 1995 io obligation de service io. Toherin’ny mpam­pianatra mpikaroka ny «procédure administrative» tsy ara-dalàna entina hampihorohoroana ny mpampianatra. Manamafy ny mpampianatra fa mitohy ny tolona sy ny hetsika fitakiana ary vonona hijoro hiady amin’ny fampitahorana ny Seces sampana Antananarivo.
Niaky ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy nahavaha ny olana misy an­kehitriny momba ny fitakian’ny mpampianatra.

Miantso ny minisitera tomponandraikitra izy ireo hitady vahaolana maharitra tsy hiverenan’ny fitakiana. Tsy tokony hanaiky ny teritery sy ny fijery politika ny minisitera satria tsy misy idiran’izany ny fampianarana.
Efa ho efa-bolana ny fitakian’ny mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Anta­na­narivo nanapaka ny fampianarana. Nitaky ny hiverenan’ny fampianarana ny mpianatra fa mbola ho sarotra ny tohin’ny raharaha.

Vonjy

Partager sur: