Fanentanana ireo tanora mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo mikasika ny arolozan’ny fifamoivoizana amin’ny fitondrana kodiaran-droa no nataon’ny ATT, ny alarobia teo.
Amin’ny maha tanora ireo mpianatra, dia naompana tamin’ireo zavatra tsara hofantatra momba ny fitaovam-pitaterana be mpampiasa ny fanentanana.
Lohahevitra fototra novoizina tamin’izany ny mikasika ny “fampiasana aroloha, miaro aina”. Maherin’ny 1 000 ireo mpianatra izay nisoratra anarana mialoha fa hanatrika ny fanentanana, avy amin’ny lalam-piofanana haisoratra sy ny siansa maha olona, DEGS, Agro, Médecine, Sciences, ary ny Polytechnique teny Vontovorona.
Noezahana mba ho hafatra tsotra, mafonja anefa mahaliana ny tanora no nampitaina.
Mpianatra maherin’ny 500 araka izany no notolorana aroloha taorian’ny fihofanana. Avy amin’ny oniversiten’Antananarivo sy Soavinandriana Itasy izy ireo.
Tsotra ny fomba nahafahana nisitraka ny aroloha. Nasaina nisoratra anarana tany amin’ny lalam-piofanana misy azy ny mpianatra tsirairay. Nanaraka fiofanana mahakasika ny fitandremana sy fiarovana amin’ny lozam-pifamoivoizana teny anivon’ny lalam-piofanana izay misy azy avy tsirairay.
Maro ireo mpianatra nahafeno ny fepetra ka nisitraka ity fanomezana avy amin’ny ATT ity.
Tatiana A




